You are here: home > Vetso

Raha izina anio re no sis - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Azo vakiana?

Raha aizina anio re no sisa mamonto
Mamonto ny foko,mirafitra ho fiainana
Fiainam-pitiavan'ny foko mivonto
Mivonton'ny onja izay sarotra iainana

Raha aizina sisa no hany mba tazana
Tazako ety amin'ny tanin'ny velona,
Velona hitia,hitia tsy ho ngazana
Ngazan'iretsy mpandiso fitia

Raha aloka sisa no tazako anio
Anio eto anivon'ny jiro maneso
Maneso mandoto fa tsy manadio
Ny lamin'ny fiainako tsy mifanesy

Raha aloka sisa natao mba hanaraka
Hanaraka! hamoa ny fotaka mandry
Mandry nalamin'ny onja tafaraka
Tafaraka hanafika ny andalam-piandry.

       Vonjisoa ANDJANIRINA

Hametraka hevitra

Midira aloha