MANDROSO MANKAIZA - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Rakotra ala hono fahiny Gasikara
Tena soa tokoa, kanto sady tsara
Be mpitsiritra vahiny sy mpandalo
Tany tena tsara ka lasa be fahavalo
Tena mampiavaka azy ny harena sarobidy
Ireo zava-maniry sy ireo karazam-biby
Sokatra sy gidro ary volamena
Indrisy ts'isy intsony fa namidy ny an'ny tena
Maro dia maro ny kolontsaina gasy
Maro be no tsara tsisy izay mba ratsy
Nefa re namidin'ireo vazaha an-taratasy
Tsy hisy intsony angamba atsy ho atsy
Famindra, ny fiteny, hatramin'ny fitafy
Tsy holazaina intsony f'efa miharatsy
Noho ny fandrosoana nentin'ny vahiny
Tandremo re ry Gasy, mafy anie ny tsiny
Toa hadinontsika hatramin'ny teny reny
Any aoriana angamba tsy ho tsaroana intsony
Malahelo tava ireo ray aman-dreny
Noho ny rehanao tsy MALAGASY intsony
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 11/06/2019
Mpamangy : 495
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Antson' ny fasanaLASA IANAO
ITY RAOZY ITY (AVELAKO HO ANAO)
VELOMA (AVELAKO HO ANAO)
REDIREDY
NENY
VELOMA
RAOZY MAINA
AVELAKO HO ANAO
MBA TSIDIO