You are here: home > Vetso

SOVENIRA FARANY - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Azo vakiana?

Taratasy iray efa vasobasoka
Mitahiry lasa maro, mafy sy mangidy
Valopy maintimainty, miendri-bolo-pasika
Mangidy toa tangena, nosokajiako ho sarobidy

Taratasy lava, toa soratananao
Lay peratra nomeko, toa naverinao
Tsy navelanao valiana nefa tsy fantatrao
Lay sariko aza ariana fa mbola tiako ianao

Raha mba fantatra no lasa redirediko
Raha namaky an'iny soratananao
Zao toa saika simba ny foko fa voabediko
Nahoana re no tiako, tsy hafa fa ianao

SOVENIRA FARANY (30-04-2018)

Hametraka hevitra

Midira aloha