TSIA SATRIA (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIA,
1.
Tsy azonao izorana ny lalana nodiaviko
Tsy azonao iainana ny fiainana niainako
Tsy azonao tiavina ny zavatra notiaviko
SATRIA ny fievitrao tsy mitovy ny fisainako

2.
Tsy azonao mamiana ny zavatra ankafiziko
Tsy azonao lavina ny zavatra noTSIAviko
F'angamba maminao ireo rehetra ngidiko
Ka ny ENInao omaly, anio efa nolaviko

3.
Tsy azonao ihinanana ny fÿ efa nandramako
Tsy azonao tsipahana ny zavatra nahiliko
Nefa azoko ekena ny tenanao ho namako
Raha toa ka takatrao ny teny izay natsipiko

4.
SATRIA:
Ny haiki-nao tsy ENI-ko
Ny TSIA-nao tsy laviko
Ny maminao tsy teliko
Ny lalanao tsy diaviko
Ny fiainanao tsy sitrako
Ny tanjonao tsy kendriko
Ny efanao tsy vitako
Ny anjaranao tsy tendriko
.......

5.
Tsy anjaratsika angamba ny natao hiaradia
Ka tsy ho sarotra amiko ny hanao veloma anao
Mitadiava ianao izay soloko f'aleo tsy hifankatia
Aza adino anefa fa mbola tiako ianao


* * *
--------
Rohy:
599 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 05/10/2019 04:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112