VELOMA (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manjombona ny tavako, tomany anao ny masoko
Ka zary sentosento ireo tononkalom-poko
Sahirana ny saiko mibaiko ny fanahiko
Hisaraka aminao ka veloma no apetrako

Ety ampiafarana no hilazako anao
Fa tsy nisy ny ady, na olana hatrizay
Ka ho veloma mandram-pihaona anie izao
Fa tsy sanatria ka ho mandrakizay.

Feno be ny foko ka te mba hitomany
Fa sarotra amin'ny saiko, izao fotoana izao
Sarotra no hino fa tsy maintsy aleha izany
Nefa tiako kosa raha izay no sitrakao

ANDJA:
Ilay olona nitia nefa tsy notiavina
Ka manam-po tomany, tsy laitra hampanginina
Ilay niezaka nitia nefa tsy notiavina
Nampiandrasina ela nefa tsy maninona

ANDJA:
Ilay tsy mahafoy, nefa dia handao
Ilay tsy mahasaraka nefa re tsy tiana
Ilay te hiteny foana hoe tena tiako ianao
Kanefa re izany toa vondrom-pahoriana

Vonjisoa ANDJANIRINA
☎: +261341277341
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Alahelo - fiainana
771 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154