Fitia tsy mety lany (Voromailala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mibanjina iny lanitra iny aho
Dia lasa fisainana lava any aminao
Raha mba azoko hatao mantsy ny manoratra eny
Mba hilazako ny ato am-poko tsy voateny

Voasakan' ny elanelan-tany
Ka faravodilanitra avy hatrany
No tazana raha hitady anao
Lavitra nefa akaiky ao anatiko ao

Toy ny fasika amonron-dranomasina
Ny fiainan'ny fitiavako anao
Ka izay hatelin'ny rano lany hasina
Kanefa misy foana solony vaovao
--------
Rohy:
5900 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104