Iny ianao iny - Vouromanga
Azo vakiana?
Iny ianao iny,no nozahaiko anaty maro
tiako ho atonina,tiako atao takalo.
Iny ianao iny,no mba tiako hoatonina
handaniako ny hareko,efa ela no nangonina.
Iny ianao iny, no nataoko ho fikàsa
omena fahasambarana, nahatonga ahy iasa.
Iny ianao iny, no mba tiako atao malala
hiara-dia mandrakizay, ho ato am-poko tsy hiala.
Nefa iny ianao iny,no nampitondra ny mangidy
ity vatako marefon'ny fitia tsy mba finidy.
VOUROMANGA
Sokajy :
Alahelo
Mombamomba
Mpanoratra : Vouromanga
Nampiditra : VouromangaDaty : 04/10/2016
Mpamangy : 1051
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
maty ahoIzay no izy
VONJEO
Tsy foinao
Aiza
MANINA
Vao....
I Vouromanga