Tsy foinao (Vouromanga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy foinao

...Nogadrainao koa foko,tsy mba afaka nandaha
tsy noho ny adalana, fa norojoina mafy vaha.
Dia notinendrinao ny lalana,notakominao ny maso
tsy navelanao hivily,tsy nasiana andraso andraso.
Ka ny nizora- nahatongavana,ny tanàna izay nidirana
no inty fa nahatamana,tsy nisy zava- nanahirana.
Moa koa andro vao niandoha,hoy ny saiko nieritreritra,
mbola voageja mafy koa,ity maso tsy afa- nierika.
Izay angamba hoy aho....

... Noho ny ela niaretana,sy nirobo- drano-lalina
dia niha-mafy ireo lalàna,ny eson- teny tsy nijanona.
Ny toera-pilalaovako, voafetra hatreo ihany
fa ny trano nitoerako, tsy azo hidirana ny ambany.
Ity no taona- pananandramana,nohomanina hatrin'ny ela
hivohana amin'ny fonja, saingy indrisy fa navela
tsy nomenao ahy akory,hoy aho nahatadidy
ilay tany am-piandohana,tsy nananako safidy.
Fa niaretako ihany anefa...

... Indro ny atelonan-taonako,notinaizanao
namehezanao ny foko,ka nahatonga izao sy izao.

... Fa tamin'iny indrindra, ny ranomaso tena lalina
tsy aiko, tsy aiko hoy aho, moa ve efa nomanina?
Ny famehezanao noekeko, tsy mba nisy iray nolaviko
fa ny indrisy, tsy nampoiziko, d'ilay zava-notadiaviko,
kay nitoeran'olon-kafa,tsy nampafantarina ahy akory
nolazainy ho avy ny andro,fa tamin'ireny aloha TSY FOINY;
Kinanjo , ity fahareta-mahonenako
nolalovan'ny mpandalo,lasa zary nanenenako;

....Ka raha ianao no tompo- toerako?

VOUROMANGA
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1113 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vouromanga
Nampiditra : Vouromanga
Daty : 04/10/2016 08:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01