Vao.... - Vouromanga
Azo vakiana?
Vao nasodikao ny masoko
ilay hazavana soa,
dia indro koa ataoko ny antsoko
ho anao ry Tompo soa.
Vao nomenao fahendrena
fony zaza dia nahatsiaro,
fa arahaba no omena
izay rehetra mba mandalo.
Vao nomenao fitia niavaka
ho an'i Tiana ho olon- tiana,
dia tsy hitsahatra ivavaka
na hoviana na hoviana
mba tena hiankina aminao.
Fa vao manoratra eto aho
dia hiatrika andro VAO
ka tahio sy ambino
amin'izay rehetra sitrakao.
VOUROMANGA
Sokajy :
Aingam-panahy
Mombamomba
Mpanoratra : Vouromanga
Nampiditra : VouromangaDaty : 02/10/2016
Mpamangy : 774
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
maty ahoIzay no izy
VONJEO
Iny ianao iny
Tsy foinao
Aiza
MANINA
I Vouromanga