VONJEO (Vouromanga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry malagasy,nitondra anaran-dReny
jereo ange ianao,mahonena tsy miteny.
Manaiky ho daboka sy iva,tsy tafajoro intsony
voahitsaka miadivotr'i ny hafa sy ny ambony.
Ka nahoana loatra re,no tsy mahaloam-peo?
aza manaiky ho lavo,ny taninao vonjeo;
mitsangàna,mitsangàna,ny taninao vonjeo.

Ry tanora namako,andao hiara ientana
hasehoy ny sandrinao,ka hialao ny sakana.
Ny reninao havoty,fa an-tànam-pahavalo
matokisa tena re,sahia ny miaro.
Aza manaiky ho lavo,ny Reninao vonjeo;
mitsangàna, mitsangàna,ny Reninao vonjeo.

Ry manan-tsaina rehetra,diniho kely anie e:
Ireo vahiny sy pibodo,mampandroso an-tsika ve?
ka aiza ianao mpitondra,aiza isika mponina
alaho an-tsaina hatreo,ny fahaiza-mionona.
Aza manaiky ho lavo,ny taninao vonjeo,
mitsangàna,mitsangàna,ny Reninao vonjeo.

Ry malagasy
Ry tanora malagasy
Ry manan-tsaina rehetra
henoy kely anie,ity taninao mahaloam-peo:
vonjeo,vonjeo....
mahonena fa VONJEO.

VOUROMANGA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
980 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vouromanga
Nampiditra : vouromanga
Daty : 06/10/2016 13:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094