You are here: home > Vetso

TSY FIDINY, Kanefa ... - Y'ajh ah

Azo vakiana?

Tsy  fidiny ho  azy lesy
Ny tsy afaka hianatra
Ho bado sy voafetsy
Fa tsy ampy ny enti-manana

Tsy fidiny ho azy koa
Ny ho kilemaina
Ka mangataka aminao
Mba mitady izay ilaina

Fa amin'izy ireny
Dia maro ny manan-talenta
Noho ilay kilema anefa
Dia tsy ho voavaly ny hetaheta

Tsy fidiny ho azy ny hijaly
Tsy satry ary ve ho faly!
Fa io tsy maintsy sedraina
Izay ilay herintsaina

Tsy fidiny ho azy ny mahantra
Sahirana, ka mitafy lanitra
Mivelona amin'ny hataka
Fa tsy afaka ny angalatra

Fa misy ihany, mba afaka miasa
Dia aleo ihany, toy ny mahazatra
Manohy ny fangatahana
Fa kamo ny hisasatra

Ho anao indray

Tsy fidiny tokoa, ny mandalo fisedrana
Fa io no ahafantarana sy mba hatsapana
Hoe ianao ve raha lavo, dia vonona ny hiarina
Mahita ny mazava ve ianao, ao anaty alina

Raha nandamoka ve ny ady
Dia trotraka sy kivy
Mety ny ezaka ny tsy ampy
Miarena mitsangana, vitao ny adidy

Manana fanantenana, asio fahavononana
Arahan'asa izany mba hamahana ny olana
Fa tsy hanome tsiny, ny Tompo Mpahary
Ny an'ny hafa lavorary, nefa ianao toa mijaly

Ny zavadrehetra tokoa, mety tsy hahafaly
Ka mila miasa amim-pitiavana, ataovy amin'ny fo
Izany rehetra izany, no miantso anao hiady
Satria ireo miara-miasa no hitera-bokatsoa

Ento mihoatra amin'ny fiainana
Ny kely mba hananana
Fa ireo zavatra kely foana
No mivoatra ho goavana

#Yajh

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Y'ajh ah

Nampiditra : yajh
Daty : 04/10/2019
Mpamangy : 133
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TAREHY AMAM-BIKA
RAHA TENA TIA IANAO
NY FANAMBANIANA