antsika i GASIKARA (yarihm)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
eny fantatrao,
tsapanao
fa, efa ela ihany
ny nonenako,
nandiavako ny tany

fohy ihany sisa
ireo fotoana hijanonako
fa ilay paradisa
tsy ho ela dia hotongako

ka indro aho izao
mametraka ny teny
ho tandremanao
indrindra ianao mijery

ny nofoko raha maty,
ario lavitra any
fa mafy sy tsy tanty
ireo vita teto an-tany

ireo satantsika aza
nataoko tsinontsinona
k'avelao ho fanta-daza
f' hitanjaka ririnina

nariana lavitra any
fa nitsipaka ny rariny
nandà anao ry marina
fony teto an-tany
k'aleo ny ratsy avarina

ny hafatro arovy,
ny teniko aza adino
MALAGASY ISIKA
na zovy ianao na zovy
na ianao tsy hino
MALAGASY ISIKA

ny hafatro arovy
f' i GASIKARA ihany
ho i GASIKARA hatrany
no antsika fa tsy iza
ka, tsimbino sy tandrovy
tiavo sy ankafizo

ny kaloko hirao
ny hirako venteso
fa io no anjaranao
ka, hasoavy tsara,
ny tanintsika retsy
I MADAGASIKARA

anaka, ianao no tiako
dimby sady fara,
tiavonao ny teny
indrindra ireo tantara
manan-kaja ireny
antsika i GASIKARA

io ny nosintsika,
io ilay tany anjara
ka, aza avela hangatsiaka
aza avelanao ho ngazana
i MADAGASIKARA
ilay lova avy amin-drazana

meteza sombinaiko
ekeo ny FARA-HAFATRO
f'hifarana ny teniko
nefa tsy mandrara
f' izany no mba fantatro
antsika i GASIKARA
YARIHM
09/05/2008
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1435 0
Hevitra mandeha
mirananirina ( 28/08/2012 11:17)
tsara be,tiako be mht!!saingy hariana aiza hono ity faty??
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : yarihm
Nampiditra : ambinimiary
Daty : 21/08/2012 12:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096