MATOA - yarihm
matoa mbola manga ny lanitra ambony
matoa mbola meva sy toy ny fahiny
ataoko tsy maty fa mbola maniry
ilay voa nafafiko iray tao am-pony
kanefa indrisy, toa maloka ihany
toa sembanin-rahona hoy aho indraindray
moa misy ny fanadinoany any ho any
izay entin'ny rivo-malefaka ho ahy?
sanatria, dia hitohy ity rahona ity
ka handrako-tanteraka anao ry tontolo
dia, indro hampangina ity fo mbola tia
tsia ry foko! tsia raha ianao no hoe "bobongolo"
YARIHM
26/09/2010
Mombamomba
Mpanoratra : yarihm
Nampiditra : ambinimiaryDaty : 09/08/2012
Mpamangy : 1015
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TENIN-DRAZAKOadala aho!!
antsika i GASIKARA
ANJARAKO
AKAIKY ILAY FOTOANA
NOHO NY LASAKO MAMELOVELO
ATAOKO AHOANA?
TSIKY ANATY ADY
NY FIAINAKO
...!!!