TENIN-DRAZAKO (yarihm)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
indrisy mantsy, ry gasy ray, gasy reny
fa tsy gasy raha fiteny
nohitsahinao tanteraka, 'lay hany tenintsika
fa zary mahavaka
ny mivolana azy imason'olon-kafa
toa sary in-dray mipika
no nenti-nihodivirana ny mahagasy anao
fa tenin-dreo vahiny no ity manjakazaka
sy zary manandevo ny lanilaninao
lany tsiro angamba, tsisy lanja intsony
ilay fiteny...maha izy anao ry taniko malalako
asanao! f'izaho, sanatria raha mba hitony
hanandratra amin'ny avo ilay hany "TENIN-DRAZAKO"

Yarihm
09/2012
--------
Rohy:
1326 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : yarihm
Nampiditra : ambinimiary
Daty : 10/09/2012 12:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138