NY AMIKO SA NY AN'TOMPO (R.N Randriii)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa re ry Raiko
Asa tokoa moa
Ekeko izao
Ny amiko sa ny anao?

Tiako ny tenako
Tiako ianao
Nefa ahoana Tompo
No hitiavako ny hafa

Ny sitraponao ve ry Tompo
No hanoratako izao
Tsy mendrika aho re
Ka asakasakao !

Eny ry Jesosy
Eny hoy aho Tompo
Hanara-dia anao
Ka ho afaka ve izaho ?

Tompo o ! ny finoako
Mihozohozo hatrizao
Tompo o ! ny fitiavako
Tsy nisy tao aminao

Fahoriana hatrizay hatrizao
No iainako tamin'izao tontolo izao
Ka inona no ataoko
Handroso sa hiverina Aminao ?

Ny olon-tiako ve sa Ianao
Tompo o ! avoty aho
Ianao ve no harahako sa izy ?
Ny amiko sa ny an'ny Tompo ?!!!
--------
Rohy:
1518 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.N Randriii
Nampiditra : mamy.nambinintsoa
Daty : 15/01/2018 11:37
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105