TSIKY IRAY (YRomy RAVELO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
****TSIKY IRAY*****
Ilay tsikiko izay nahalalanao ahy
Izay mitsiry ato am-poko,mamelon’aim-panahy.
Ito tsikiko miteraka fahasorenana ho an’ialahy sy ho anao
Ity tsikiko ity,… ahatsiarovanao ahy hatr’zay,hatram’zao
Ity tsikiko ilay maha te ho tia anareo sy isika.
Ito no mba fananako hifampizarako,
Ety amboni-tany ,fony aho mbola velon’aina.
Io ilay tsiky iray mba ho tsiaro refa mody razana ny aiko.
Fa ilay tsikiko ho diary ho anao mandraikizay,
Dia ny Tsiky iray izay nahalalanao ahy hatr’izay ,
YRomy RAVELO.
Jiona 2021 HAFALIANA.
--------
Rohy:
974 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : YRomy RAVELO
Nampiditra : yRomy RAVELO
Daty : 09/06/2021 09:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139