MISY HANINA IRAY TE HITRAOTRA (ZAFY REARY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy hanina iray te hitroatra
Hamonjy ny akany toa lavitra loatra
An’ilay aty am-pita.
Ka sento no sisa
Mandrongatra mafy.
Ka e! fa tsy tanty.
Misy hanina iray te hitroatra
Hamonjy ny ankany toa lavitra loatra.

Raha tany aho mantsy dia izao no nataoko:
Voriako daholo ny tary rehetra;
Ny fianakaviana tsy hadinoko koa
Dia hanao fety e! Tsisy fetra;
Ialohavana vavaka koa tora-po.

Fa manina hono; manina iky.
Ny foko ato anaty toa lavitra tsiky.
Manina iky. Tsaroana Iarivo
Ny fo te hitroatra, injay fa mizivo.
Raha tany aho mantsy dia… Izaho ity koa adala!
Tsy takatry Iarivo no miantso malala.

Sns… sns…

Raha misy hanina iray te hitroatra
Bedeso tsy hivoaka
Fa ndrao dia hitsidika, handratra fo;
Dia ho aretina koa.

( Apetrako ny peniko fa sao lasa lotra eto am-piandrasana sakafo ato @na hotelikely iray eto Goma RD Congo. Tsingerintaona lavitra Havana sy namana marina ny ahy androany , koa akory atao!?)
15 desambra 2011, Goma
ZAFY REARY
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - Fianakaviana - Namana - embona
1093 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ZAFY REARY
Nampiditra : zonia
Daty : 15/12/2011 12:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096