ALA-NENIKO AMINAO - Zay LAFATRA
Azo vakiana?
Mety gaga angamba ianao,
mahita ahy tsy mahay mionina.
Izan'andro lava izao,
dia ny anaranao no voatonona!
Mety gaga ianao satria,
ny fo ny anao no mety mino.
Aza gaga anefa indry,
fa izaho tsy mety manadino.
Imbetsaka aho no mba nikiry, nanamafy ny efa vita...
Niaritra impiry impiry!
Mihitsy ianao efa nahita.
Imbetsaka aho no niantso anao,
na miavona aza ianao mamaly...
Afa nenina aho izaho...
Miafy loatra ka mijaly.
Fa ny vitako hatramin'izao!
Tsy tamby ireny fa adidiko...
Ala-neniko aminao,
sitrapo sy safidiko.
Ny lakan-tsika efa tsy tody,
koa dia mahita ny soa...
Izaho tsy mba hiantso tody,
na potika aza ny ao am-po.
aro-safidy-ipm
08/06/17
Mombamomba
Mpanoratra : Zay LAFATRA

Nampiditra : nagaoka
Daty : 01/10/2018
Mpamangy : 1361
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VONINKAZOFITIA
FO MIARA-MIOFO
NANAMBADY I RINDRA
LAZAO RAHA TSY TIA
NIZAKA RATRA
Fo hafakely
Tsy hifoha intsony
Tia anefa tsy voajery
HOPITALIM-PITIAVANA