KITROKA SY RAHONA MAINTY (Zay LAFATRA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny rahona eny ambony,
be hadiry sy matevina.
Rahona mainty feno lony,
nampijaly tsy nibanjina.

Ny masoandro tsy mihiratra,
ka takon-drahona ny tany.
Mitsolafaka eny an-tatatra,
ilay olon-tiako mitomany.

Ka mijaly sy maratra,
Ao anaty haizina mangina.
Midobodoboka ao an-tratra,
ilay fo feno hakiviana.

Ka mitady ilay fanilo,
mba hitsilovana ny lalana,
Efa latsaka ilay îlo,
F'ity kitroka tsy namana.


15 mai 2015.

Zay_LAFATRA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1038 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : nagaoka
Daty : 01/10/2018 18:51
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102