Tanimena midorehitra (Zay LAFATRA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny lalana iny dia tanimena midorehitra,
fa toa napahatsiaro ilay singan'olon-tiana.
fifanojoana kisendra tao anatin'ny sakorika,
fa toa napilendalenda ilay foko safononoka .

Tsy hita moa ny atao fa dia mapionom-po,
sy mitahiry afo anaty ilay manifim-piarovana!
ka aiza no tsy ho lavony ilay fo toka-tsafidy.
Tanimena midorehitra napitondra ilay mangindy.

Iny lalana iny anie no niarahana namindra nakany Ankirihiry,
ilay toerana mamy tena tiko indrindra rakotry ny fahiny,
toy ny vao omaly ilay fitiavatsikaroa fito taona lasa izay,
raha toa mitambolona ato an-tsaiko indray.

Tanimena iny mantsy!
Raha mieritreritra azy toa manditsoka fanahy,
Tadidy tsy hay nofafaina toy ny oran-dohasaha.
Nahaizako nitia olona tsy anjara tao anaty taona maro,
Tanimena midorehitra vintana Adaoro.

14/06/19
--------
Rohy:
Sokajy : fahatsiarovana - Alahelo
882 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : nagaoka
Daty : 15/07/2019 10:32
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101