MAHAIZA MIONONA (Zoana15)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mafy loatra angaha hono izany atao hoe manadino?
No toa henoko hatraty izato ianao nirimorimo
Te hanapitra aina sy tsy te ho velona intsony
Mieritreritra fa hoe izy tsy ho anao intsony!

Tena nanaitra loatra ve izao fahasambarany izao ?
No toa tsy voafehinao intsony izato ranomasonao?
Fony izy teo anilanao, tsy mba nahitana izany tsiky!
Izao nanjary niova loko, zary miadana mihintsy!

Mahaiza mionona rahavako
Fa izy tsy ho anao intsony
Efa ela nihafiana izy
Efa ela nijaliana!
Tsy anjara angamba ny anareo
Izy koa toa efa leo!
Ny ditranao tsy mety tapitra!
Ny toetranao tsy mety matotra!

Zoana15 (06/07/2015)
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
1400 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoana15
Nampiditra : zoana15
Daty : 06/07/2015 09:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137