MBA VALIO (Zoana15)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay ianao tazako iny
Mba valio aho,
Moa ve mbola hiverina?
Moa ve mbola hamerina?
Tiako ho fantatra!

Ilay velomanao iny
Manontany aho,
Moa veloma mandram-pihaona?
Moa veloma mbola ihaona?
Sa tsy fantatra?...

Ianao hitako farany iny
Toa olona tsy manan-tsiny
Nandalo ihany toa vahiny
Toy ny tsy nisy ilay fahiny!

Zary toa nandalo sisa
Zara raha namisavisa
Ireo fotoana paradisa
Ho aiza ianao?
Mba valio…

Zoana 24/06/2015
--------
Rohy:
1688 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoana15
Nampiditra : zoana15
Daty : 24/06/2015 09:49
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158