MISAOTRA - Zoana15
Azo vakiana?
Litera valo monja ny teny hoe misaotra
Kely fa mafonja, teny kely kanto loatra
Hafaliana sy haravoana any anaty rehetra any
Maheno anao miteny azy, teny kely teny mamy!
Faly ery izany sofina maheno anao misaotsaotra
Amin’izato fo madio mamoaka azy tsara voatra
Manoka-bava tsara ery, manonona azy am-pitsikiana
Afa-po ery ny mpihaino sady feno fifaliana!
Teny iray manan-danja tokoa zareo ny misaotra!
Tsy mba sarotra tononina, teny tsara mora aloaka
Indrindra moa raha avy amin’ny fo no tena ipoirany!
Dia tena zary fanafody ho an’izay idirany!
Zoana
Sokajy :
sitraka sy setriny
Hevitra mandeha
andry 1000 (21/05/2015 03:51:44)
Mombamomba
Mpanoratra : Zoana15

Nampiditra : zoana15
Daty : 20/05/2015
Mpamangy : 1448
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
IZY VALO MIANAKAMAHAIZA MIONONA
MBA VALIO
TENINTSIKA
TSIARO ANAO
VOLANA
TIAKO SADY HALAKO
MODIANA FANINA
ZANAKO
AZA KIVY