MISAOTRA (Zoana15)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Litera valo monja ny teny hoe misaotra
Kely fa mafonja, teny kely kanto loatra
Hafaliana sy haravoana any anaty rehetra any
Maheno anao miteny azy, teny kely teny mamy!

Faly ery izany sofina maheno anao misaotsaotra
Amin’izato fo madio mamoaka azy tsara voatra
Manoka-bava tsara ery, manonona azy am-pitsikiana
Afa-po ery ny mpihaino sady feno fifaliana!

Teny iray manan-danja tokoa zareo ny misaotra!
Tsy mba sarotra tononina, teny tsara mora aloaka
Indrindra moa raha avy amin’ny fo no tena ipoirany!
Dia tena zary fanafody ho an’izay idirany!

Zoana
--------
Rohy:
1691 4
Mpakafy: arisoacool - Arofanina - hery - zoana15
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 21/05/2015 03:51)
tsara be le tononkalo a! mahay mamorona mihitsy enao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoana15
Nampiditra : zoana15
Daty : 20/05/2015 11:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139