You are here: home > Vetso

VOLANA - Zoana15

Ry volana baliaka mijery avy eny ambony
Moa mba hitanao izato fo tsy mety tony!
Ny endrikao sariaka manazava ny tontolo
Iriko raha mba ianao no hitantana sy hanoro!

Tsisy miafina aminao izay rehetra ety ambany
Toa jerenao fotsiny ihany  ity toloko sy tomany!
Ny onjan’ny ankaso izay tsy mampahita tory!
Mijanona mangina ianao, amin’izato  fo toa oriory!

Ry volana baliaka faly foana miran-dava!
Mba omeo ny tara-pahazavanao ity alina tsy mety hisava!
Irinay ianao mba hizara aminay ny hafalianao
Hampisava ireo toloko amin’izato  taratrao!

Misamboaravoara mafy izany rano eny an’ony!
Tongava ianao, midina ety ‘ndao re mba hampitony
Ireo kiaka sy taraina modianao be marenina!
Indrisy tena hitanao, izany ve moa afenina!

Hevitra mandeha

andry 1000 (04/06/2015 03:34:06)

tena tsara be ity tononkalo ndry ity ry bavy a!! niainamahery@gmail.com ny adresser ko de mba manorata ao e!!

Mombamomba

Mpanoratra : Zoana15


Nampiditra : zoana15
Daty : 03/06/2015
Mpamangy : 1504
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

IZY VALO MIANAKA
MAHAIZA MIONONA
MBA VALIO
TENINTSIKA
TSIARO ANAO
TIAKO SADY HALAKO
MODIANA FANINA
MISAOTRA
ZANAKO
AZA KIVY