Fahatsiarovana (zoarimamy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho voasoratra tsy maty ato am-poko ny andro androany
Satria andro hanekeko fa ianao no olon-tiako
Hizarako ny alahelo, ny tsiky sy tomany
'Zany vetsovetsom-poko ary koa ny fifaliako.

Mitamberina ny tsiahy 15 taona lasa izay
Izaho sy ianao nifankahita teo an-tokontaninay
Kisendrasendra ve sa lahatra, iza moa no nanam-po?
Fa any volana , any taona ho mpivady isika roa?

Ny zava-mandalo tsy maintsy sedraina dia toa zava-poana
Satria 'zany foko dia vonon-kifaly @ fanantenana
Tsy maintsy ho tonga ilay andro malaza andrasako foana
Ny tia sy ny tiana hitambatra ho iray ary tsy azo vahana.

Ambonin'ny zava-drehetra
Ny fitiavako anao tsisy fetra
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1263 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : zoarimamy
Nampiditra : adidy
Daty : 04/09/2005 16:16
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098