FA ANGAHA DIA IZAO IHANY NO ANDRO ? - ZOZORO
Azo vakiana?
Izao aho no mitanondrika,
Izao aho no misento.
Izao aho no miantso vonjy
Ho avotrin'ny fianako eto
Izao aho no mitomany
Hitan-danitra ao ambony,
Fa any andro...any taona...
Izaho tsy hitaraina intsony.
Izao aho no hita resy,
Izao aho no hita lavo.
Izao aho no andosirana
Satria mbola mavomavo,
Izao aho no voatsindry
Tsy hafa-mihoitra kely akory,
Nefa antenaiko ny fotoana
Tsy hisian'ny mpampaory.
Fa angaha dia izao ihany no andro ?
Tsia ! fa misy dimbiny ao.
Amin'izay ny fandresena
Onina ao anatiko ao,
Fa ho avy tsy ho ela akory
Ny androko mamirapiratra,
Ka ny foko ho ravoravo,
Ny masoko anjary ihiratra.
Zozoro
Hevitra mandeha
SIOKATOKANA (08/08/2011 05:30:38)
miala tsiny aminao aho fa MPANAZARY no tokony ho mpanoratra an'ilay hoe: LAKAN-JAHATRA iny e!
SIOKATOKANA (08/08/2011 05:31:01)
miala tsiny aminao aho fa MPANAZARY no tokony ho mpanoratra an'ilay hoe: LAKAN-JAHATRA iny e!
Mombamomba
Mpanoratra : ZOZORO
Nampiditra : ZozoroDaty : 01/04/2011
Mpamangy : 1635
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ZOKIKO Ô !LASA ILAY MPAMORON-KIRA
RAHAMPITSO
Raivo mahantra
VELOMA
FISAINANA
LAKAN-JAHATRA
TSIAHY
MBA VOLANA, HONO, AHO KA VOLANA...!
'NDEHA ARY RY SAKAIZA (veloma ho an'i LEVELO)