HO ANAO (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO ANAO,

Moa mba fantatrao
Fa izao tontolo izao
Sy 'zay rehetra ao aminy,
Dia nantsoiko, niangaviako
Ho vavolombelon' ity Foko
Fa nahita izay mba nokoloiko :
Dia ny amboaran'ny Fitia
Izay mandrobona aoka izany
Tsy ho atreto eto an-tany ihany !...


Ray ô!
Iangaviako indrindra Ianao.
Ampahafantaro azy izany.


Zozoro

20/06/2009
--------
Rohy:
1603 3
Hevitra mandeha
benasy ( 17/07/2009 09:52)
Hamaly ny antsoanao anie Ny Ray inoanao !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107