i DADA - ZOZORO
Azo vakiana?
I DADA
Dada fiangotiana tsy eto intsony
Fa lasana niampita
ka tsy hita.
Folaka ilay andry niankinana,
Potika sy toro
ilay fehizoro.
I Neny anie ka maina
sy mangaina,
Misento lava izao
tsy eo anilanao,
Misaina ireo taona maro niaraha
nilaozanao nandeha namboatra lalana.
Dada ô!
Matokia
ka matoria,
Ny hafatrao napetraka
Ho tanteraka,
Mandria ampiadanana satria:
I Neny, ny zanakao miharadia.
Dada fiangotiana tsy eto intsony.
Tsangambato ato ampoko ny fisiany.
Sokajy :
Fahatsiarovana, fiainana
Hevitra mandeha
benasy (29/06/2009 09:40:53)
Tsy maty akory izy fa matory... Tena kanto ity voninkazo atolotrao ho azy.
Mombamomba
Mpanoratra : ZOZORO
Nampiditra : ZozoroDaty : 22/06/2009
Mpamangy : 2420
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
ZOKIKO Ô !LASA ILAY MPAMORON-KIRA
RAHAMPITSO
Raivo mahantra
VELOMA
FISAINANA
LAKAN-JAHATRA
FA ANGAHA DIA IZAO IHANY NO ANDRO ?
TSIAHY
MBA VOLANA, HONO, AHO KA VOLANA...!