MISAOTRA RY BENASY (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia nofongoriny ho tarangana ireo amboaran-tsentosento
Sy ilay antsovonjiny mangina mba ho avotrin’ny eto
Indro nisy nampitraka, eny nisy nampitony
Mba ahaizany miaina, ka izy tsy hanonofy intsony.

Lakalaka moa ny eto ary toa voamaintilany
Misy faly, ao sento, izay no misy eto an-tany
Sendra varatra izy omaly, sendra kotroka sy tselatra
Vorona voatora-bato ka naratra tapak’elatra.

Kinanjo sendra kiaka kely, izay tsy nampoiziny akory
No niantefa-tampanahiny ka nanaitra ny ambo-pony
Fehezan-teny izay mafonja, tantely soa, fankaherezana
No natolatra ho azy ho fitàna, sy ho tetezana.

Dia nisalorany ny hery hanadinoiny ny taloha
Ny alahelo sy joretra dia noperany avokoa
Tsy hanalokaloka azy, na anjohy ankodimirana
Mby an-dakana izy izao ka ny fivohy no aminkirana.

Ny apingany ny toky, ny tsipikany ny vonona
Mino izy manantena fa tsy ho resy anaty tolona
Mbola misy ny ampitso izy indray tsy ho kanosa
Fa ny fiomanana enti-miady no ataony miavosa.

“Angaha dia izao ihany no andro ,
Tsia fa misy dimbiny ao,
Amin’izay ny fanahy honina ao anaty ao.
Fa ho avy tsy ho ela akory ilay andro soa mamirapiratra
Ka ny fo ho ravoravo, ny masony anjary hihiratra.”

Zozoro
--------
Rohy:
Sokajy : Fanantenana
907 1
Mpakafy: Zozoro
Hevitra mandeha
benasy ( 15/01/2009 10:23)
Isaorantsika Amin'ny fo feno Fanetren-tena Andriamanitra !
Satria nateraka sy nohariany ho mpandresy ianao...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145