RY FIFANKATIAVANA O! (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY FIFANKATIAVANA à”!

Aiza hoe ny elatrao hitetezako ny tany
Niarahanay fahiny !
Ny sarinay nihara-droa angamba mbola ho hitako any
tamin'iny lalana iny
Fa nisian'ny tsikitsiky sy ny hira tsara feo
sangisangy, hanihany,
Ilay niarahanay nihira angamba mbola ho hita eo
Miandry anay foana hatrany.

Aza tà nana ho anao samy irery ny fonay,
Mba omeo ny "Fitia"
Dia ny tany faharoa tsara hitoerana amin'izay
Tiako honenana doria
Tsisy mahazo miditra ao afa-tsy olo-mifandala
ka nandalo taminao.
Ry Fifankatiavana à´ ! sa ianao tsy mahalala
Ny ao ampoko kely ao ?

Izay hasambarana any vinavinako avy ety
Izaho angamba hihira foana
Izy koa hanampy izany, efa falifaly ery
Eo akaiky sy anoloana
Hasambaran-tsy hita lany, fo roa nanjary iray
Fo nakamban'ny Fitia
Ry Fifankatiavana à´ ! ento ho any izahay
Dia ho safononoka doria !...


Fa rah'faniriko irery, ampangino indray ny foko
Hionona ao anatiko ao
Fero ny alahelo izay haterin'ny toloko
fa ho zaraiko aminao
Ny foko anie te-hiaotra avo, hitady tanjona iray
Tiany ho ankany ho doria
Ry Fifankatiavana à´ ! raha toa tsy anjaranay
Vonoy ny afon'ny Fitia.


Zozoro
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1661 2
Hevitra mandeha
pissoa ( 17/04/2009 09:20)
Miala tsatroka Zozoro a !

Misaotra mizara e :)
benasy ( 17/04/2009 09:54)
Ry fifankatiavana o! aza avela hangina re ny fony !...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099