ZOZORO (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZOZORO

Morom-parihy tsy manonja, fa miaty ny fota-mandrevo.
Tsianjerin’ny ny olon-tsy tia ny azafady tsy misy andaharana,
Fa mihevitra tsy ho tratry ny aloka, ka mielo amin’ny tanana an’ila;
Ka fotaky ny efa nandao ve no tanisaina amin’ny fo torotoro ?

Tsarovy k’ataovy ao an-tsaina, fa tsy namana ny fendrofendro;
Ny alahelo no tsy azonao tànana , fa mamatotra tady vavarana;
Kiribibin’ny be famaliana, ndeha hinday amin’ny afo manila ?
Kanefa romotan’ny fony, ka satriny hamory mololo.

Dobok’aponga mianjera, mampientana an’Ambatomiantendro !
Fomban-tany mandeha tsy miera, Fa ny azy fitia varavarana...
Ao ny laonan’ny mpitoto koba ho an’ireo izay mahay taralila !
Tsy hitomany amin’ny masoandro mody, fa ny volana koa manontolo.

Izaho ve ho very tandrify ? Izaho ve no tsy hanana anjara ?
‘Zato lambako esory azafady, he ry tongotry ny mpialangalana !
Fa manonofy amin’ny andro ririnina, ka manintsy anaty ora-mikija
Be fikasa hamono ankaranana, kanjo sendra mahery tsy toha.

Olon-tokana ve no tsy tia !!!!!! Dimy no andrasako androany !
Mbola teo aza ianao fahizay ; tsy vitsy no mitady làlana ,
Ka zory ny dianao mody, fa ny aty efa isan’ny dila ;
Safomoron’ny tena fitia, k’ aza anadalàna atidoha !

Izaho no zozoro mijoro
Tsy tapaky ny rivo-mpisetra
Milefitra fa tsy mikoro
Io ihany fa mbola tomoetra.

Raha arary, dia manjary trano !
Haingon-trano izy toa fanaperana;
Raha fefy fiarovan-tanàna
An’ohatra izy be fandeferana

Zozoro anie aho ka zozoro....
--------
Rohy:
1358 1
Mpakafy: benasy
Hevitra mandeha
Zozoro ( 14/01/2009 16:55)
Ndray! tena tankina aho... Misaotra Benasy an!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143