You are here: home > Vetso

Hevitra mikasika ny Hatramin'ny nahalalako anao

Nampiditra : nyeja
20/02/2004 11:17:30

ho an'i DadaRabe,
Ny mpanoratra dia poeta tahaka anao , Ny Eja no anarako ary ankafiziko ny sangan'asa izay nataonao "hatramin'ny nahalalako anao",
mankahery anao aho hanohy hatrany ny fiventesana ny aingam-panahy ao anatinao izany ary satria moa isika poety no nasaina hilaza izay tsy voalazan'ny olona tsotra ka dia faranako amin'ny hoe "ho ela velona anie ny asa soratra malagasy " izaho koa mpirevy gasy e
mankasitraka hatrany !
Ny Eja (mpankafy anao sady namanao vaovao raha sitrakao)

Nampiditra : DadaRabe
22/02/2004 14:25:46

misaotra an' Ny Eja fa mpinamana isika é!

Nampiditra : HHkely
23/02/2004 20:09:39

tena niova be mitsy izany enao koh! mbola ho fantatro ve? :-)

Nampiditra : aladin
24/02/2004 08:47:14

tena favo be aloha ilay izy ryDadarebe a!mankasitraka dia tohizo fa tsara e!

Nampiditra : Oully
28/02/2004 00:49:01

Tena nirara-kivy aho teo am-pamakiana ny tonokalonao!
Lasa lavitra ny ainganao! Mirary ny soa hatrany.

Nampiditra : hery
28/02/2004 12:34:19

Misaotra an'i Dadarabe tamin'ity sangan'asa ity.
Misaotra an'i Dadarabe indrindra ihany koa manome lanja ny takelaka vetso.serasera.org. Satria fanomezan-danja ny takelaka toa itony tokoa ny fametrahanao ny tononkalonao eto.
Mirary soa hatrany e.

Nampiditra : mamonjy
01/03/2004 05:00:19

Ho an'i Dadarabe
Tena mahay ianao ka! Mba mandefasa tononkalo maromaro.
Lanto no anarako
Misaotra betsaka

Nampiditra : DadaRabe
01/03/2004 11:36:11

Misaotra ny "namana" rehetra é!
Tena fantatrao ihany aho ry HHkely à! :-))
Misaottra an'i Aladin sy ny lampe merveilleuse-ny !:-)
tena lasa lavitra anie ilay nofy ry Oully é! indrindra rehefa mangatsiaka takariva ao anatin'ny ririnina mangina iny! :-( soa fa nisy penina !
Hery no isaorana hatrizay ela izay é! raha tsy diso aho nisy tononkalo nangatahin'i Hery izay efa ho roa na telo taona lasa angamba izay, andraso tadiaviko.
Andraso fa handefa aho Lanto à! gaga ianao raha ilazako fa misy dimanjato mahery izy ato anaty ordinatera ato! loza !

DdRb

Nampiditra : Ryana
20/03/2004 15:31:23

Tokony mba alefa amin'ny gazety eto Madagasikara ny asasoratrao DadaRabe!
Tsara ê!
Ryana

Nampiditra : DadaRabe
20/03/2004 15:45:43

misy matetika ao amin'ny tribune ry Ryana. Raha tsy ny avy aty Madagasikara no miteny amiko dia tsy fantatro ireny matetika. Ilay hoe "omeo toerana aho" iny no henoko hoe nivoaka vao haingana, dia ilay "natsangana".

DadaRabe

Nampiditra : Ryana
20/03/2004 15:48:04

Hay ve? Tsy mba nahita aho!
Fa t@ fandaharana "Kidaona maraina" amina Radio privée iray no efa nahenoko tononkalonao novakiana tao.
Mankasitraka hatrany ê!
RYana

Nampiditra : DadaRabe
20/03/2004 16:00:10

Ilazao vaovao ihany é!

DdRb

Nampiditra : sarondrahona
29/05/2004 10:35:20

Raha samy niova daholo izao rehetra izao
Dia niova koa ny ora izay nahalalako anao

avy amin'i
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
( Mpankafy io tononkalonao io , sy ilay ZAKILININA...)

Nampiditra : HHkely
04/09/2004 18:28:28

Sarondrahona,

zany an!

Nampiditra : Malalason
24/11/2004 10:38:31

ouaouuh! tena dadany tokoa i rabe izany tsy madilana ho lazaina intsony fa de zay zany no zava-misy ao anatin'ny fifankahitana
Mankasitraka an'i Dadan'i Rabe dia mirary soa antsika rehetra
R. JO

Nampiditra : DadaRabe
02/12/2004 13:21:49

manao ahoana,
mampihomehy ahy koa ilay lazain'i malalason hoe "dadan'i Rabe". Ie, sady Rabe aho no dadan'i Rabe no zanak'i Rabe ary zafikelin-dRabe. :-)

Rabe

Nampiditra : sonwin
05/12/2004 17:01:03

Milay ..izay no azoko lazaina, zany ka haingam-panahy.

Nampiditra : osrabn
10/05/2005 17:16:55

Nitampim-bava fotsiny aloha aho teo am-pamakiana ilay tononkalo e! Misaotra betsaka Dadarabe a! Tena kanto ilay izy aloha e! Mamy aloha e!

Nampiditra : doum
27/07/2005 18:56:10

za koa za koa hiteny hoe tena tsara ry dadarabe ny tonokalonao marina e
tena misaotra anareo mpanoratra manome zvt tsara ho anay e
izaho tsy mpanoratra fa mitia tononkalo hatramin'nyfahazaza
ary de tena manovo zvtsoa mihitsy izahay mpamaky
misaotra eeee!
fa hono oa
mety afaka mahazo izan tononkalo efa ho 500 ao @ordi -nao ve izaho :-)

Nampiditra : DadaRabe
01/08/2005 13:40:44

Omeo ahy ary ny mail-nao dia andefasako ianao é!
alefako miandalana eny.

Nampiditra : Malita
23/04/2010 09:16:24

tsara tena tsara!!!

Nampiditra : Jock
13/03/2015 04:48:05

Tena Ok le aingam-panahy zay rehetra voajeriko rehetra teo ry Dadarabe an!. Eo ampamakiana le izy aho dia tena miaina e. Mankasitraka.
Fangatahana kely. Za amorony tononkalo misy na momba ny TANTELY raha azo atao. Miezaka momorona za nefa rehefa tsy ao le talenta d tena tsy mety e (Tantely : masiaka nefa manome mamy...)

Nampiditra : andry 1000
17/03/2015 07:35:23

Misaotra an'i dadarabe fa tena henjana enao e!!! poeta feno no ilazako azy!!! sady ny mahafinaritra ahy de na tsy an-tanindrazana aza de tsy miova le toe-tsaina fa miezaka ny ho gasy foana!!! tantara marina ity lazaiko ity an!! ny ankabetsahany gasy antanin'olona r'ireto an! miavona sy tsy mahay ny teny gasy tsony an!! raha miresaka aminy teny gasy enao de tsy hamaly anao zany izy!! menatra angamba!!!miova mintsy le toe-tsaina e!! fa isaorana ireo olona mbola ohatrany dadarabe ary mirary azy ireo mba ho tonga saina e!