You are here: home > Vetso

Hevitra mikasika ny Aleoko mihono

Nampiditra : Malalason
07/07/2004 13:43:44

na izaho aza mba te ahafantatra ilay tsy tsy tianao ho fantatra aminy, fa ezaho ihany aloha e! f'aza tonga dia mihono izany kony an!

misy tonon-kaloko mifanaraka amin'io hoe TAZOM-PITIA
RJO

Nampiditra : NyKanto
07/07/2004 14:48:10

Ny "mihono" anie Malalason anisan'ny fomba iray hiarovanao ny fonao tsy ho voaratra tafahoatra, aleo tsy hay toy zay fay ; ... fa raha mbola manantena ianao fa hisy fitohizany ilay fitia dia ny "mihono" koa no anisan'ny fihetsika iray ahafahanao manorina fiaingana iray vaovao.

Ny Kanto.

Nampiditra : bichette
07/07/2004 15:45:39

Mihonona mety fa ratsy raha mijaly anaty, lasa fahoriana indray ilay fitiavana. Koa halalino tsara nyKanto a ! mahereza e !

Nampiditra : bichette
07/07/2004 15:49:39

Mihonona koa mety raha tsy mbola fantatra mazava na hisy tohiny na tsia ilay fitiavana

Nampiditra : NyKanto
07/07/2004 18:05:04

Mihono sy mihonona anie samihafa bichette eh, ilay hoe "tompon-trano mihono" dia ianao no tsy mahalala ny zava-miseho fa ny hafa indray no mahafantatra izany, sasanangy samy hafa ireo. Ny Tiako nampitaina teto dia misy izay zava-miseho mety handrava ary mandrava ny fitia nefa odiako na iniako tsy fantatra satria izaho mbola tia, ka dia aleoko mihono tsy hahalala izany.
Ny Kanto.

Nampiditra : NyKanto
07/07/2004 18:31:21

jamba ny tia eh!

Nampiditra : bichette
08/07/2004 09:27:34

azoko tsara ka ! ammin'ny lafiny rehetra

Nampiditra : Addy
10/07/2004 00:12:17

Mino aho fa tia tsikera ianao. Tsy mpanoratra tonokalo aho fa efa nandalina sy nianatra ny tonokalo. Tsara ny tononkalonao fa mikorotana ny hevitra ao anatiny. Mino aho fa raha ianao aza anontaniana ny votoatin'ny tonokalonao dia tsy ho voavalinao. Ny rima tena tsy mandeha @ zay laoniny. Asa mety mampiseho fa tena voadona mafy ianao rehefa nilaozan'ilay olon-tianao. Tsy manara-drafitra ny tonokalonao. Manaraka izany aza dia tena atao ao daholo ny fo fa lafo be zao ny fo plastika.

Nampiditra : NyKanto
10/07/2004 11:54:58

Misaotra an'i Addy nitondra ny tsikera, ary amporisihiko indrindra ise hamaky ireo sanganasako hafa sy hivimbina soso-kevitra sy tsikera hafa koa... tiako ny mandray ny tsikera fa ny hoe hevitra mikorontana mety ianao no tsy mahatakatra ny tiako holazaina eto , dia ho izaho indray ve ny tsy hahalala ny taiko hambara ? ,... ny resaka rima, efa ela ireny no tsy notadiaviko, tsy mitady rima aho ... safidy manokana nataoko io, sonia tiako havela ao amin'ny sanganasako io ... mba tsy ho voafehin'ny lesona be azo tamin'ny fianarana ny tononkalo, mivoatra ny zava-drehetra!, farany manaraka izany, aza matahotra ise fa tsy marary akory ny foko, sombim-piainana mety ho ahy, mety an'ny hafa no ampitaiko ao anatin'ireny tononkalo napetrako ireny.

Mankasitraka dia manentana anao hatrany hitsikera.Mirary soa e!
Ny Kanto.

Nampiditra : NyKanto
10/07/2004 11:55:02

Nampiditra : hery
18/07/2004 10:42:25

Tiako ilay petra-kevitra. Mihono tsy hahalala izay ratsy amin'ilay olon-tiana. Saingy mitory tsy fahatokisan-tena. Midika hoe raha mahafantatra aho mety tsy ho tia anao ka aleoko tsy mahalala...

Nampiditra : NyKanto
19/07/2004 10:07:09

Hery,
Mitory ny fahajamban'ny tia kosa fa tsy fahatokisan-tena ... finiavana hanarona " ny tsy fantatra mety handratra na hamotika ilay fitia" , satria mbola mikasa fitohizana eo amin'ny fiarahana na dia mafy aza ny sedra lalovana.

Ho famintinana : " Ny fitiavana manarona fahotana maro be"

Ny Kanto.