You are here: home > Vetso

Hevitra mikasika ny Firaisam-pirenena

Nampiditra : Miarantsoa
30/03/2005 12:45:21

Ohata ny hoe mamofompofona fihantsiana ara- poko izany ilay tononkalo ....
Sa ve diso aho ?
Sao de tsy mety raha izany tokoa no izy...

Nampiditra : NyKanto
30/03/2005 13:00:05

Mety marina ny tsapanao ry Miarantsoa ... nefa ihany koa matetika raha vao miteny hoe merina anie ka raisin'ny mpihaino sy mpamaky fa mandranitra adim-poko, tsy izany velively anefa no tsapa rehefa mandre ny hoe terak'Antsiranana ohatra ... any ny olana no mipetraka ... raha iverenako ilay tononkalo dia toa manaraka ny zarazarao hanjakana efa nentin'ny mpanjanaka teo aloha, tsy mankalaza ny firaisana fa ny fisaraham-pirenena ... amiko ny firaisampirenena dia zava-dehibe tokoa, samy hafa foko nefa ampiraisin'ny NOSY sy TENY iray ny Malagasy. Efa be dia be izany ary tena mavesa-danja tokoa ho an'i Madagasikara satria raha oharina amin'i firenena maro samy hafa dia ny teny "baiko" indray no lasa entina miserasera.
"Izay mitambatra vato" ... tsy diso ireo Ntaolo raha niteny izany.
Ny Kanto

Nampiditra : Merinaforever
30/03/2005 14:11:06

Maro ny olona (ao ny Merina,ao ny hafa)no mihevitra toa an'i Miarantsoa.Tsy hanao aho hoe halako ireny olona ireny.Ny zavatra marihiko fotsiny kosa dia mba hahazahoan'ny mpamaky izay afaka "hihaino" izany fa mandreraka mihitsy ny mahazo karazana "ompa" rehefa mba maneho ny heviny ny olona iray.Ny ahy izao ny hevitro dia mazava tsara,ary safidy io,fa saingy safidy mifanipaka amin'ny mahazatra sy nanazarana ny maro.Ny olana dia efa vita lasitra (pret à lacher)daholo ny teny voalazako fa karazana "ompa" asetry tsy ampy fandinihina ny amin'ny voalazako.Izany indrindra no nahatonga ahy ho entin'ny aingam-panahy hanoratra ity tononkalo ity manao hoe:"ny fanasemporana".(jereo io tononkalo io.)
Raha todika tokana no ilàna hery dia marina ny hoe "ny firaisana ny hery sns sns "
NB:fanontaniana=mba mahazo tezitra ve aho amin'ny maha-Merina ahy?Na ho inona nefa ho valiny na ho inona,dia ataoko fa hotsapanao ny ezaka ataoko mba tsy ho ny fahatezerana fotsiny ihany no manosika ahy satria tsy hitondra fandriampahalemana izany.
Misaotra.

Nampiditra : rabona
01/04/2005 21:20:11

miala tsiny fa ny hevitrao dia tsy mazava ary koa ny fanazavanao eto ambany dia vao maika koa maizina ,ny hany azoko ary manaiky aho dia ny vazaha mitango sy manjaka @ ity tany ity (ny matanjaka ihany no mandresy)marina izany , ny manelingelina ahy dia ianao mijanona sy tena fermé be hoe "merina" izaho zanaka andriana tsoriko aminao nefa izany tsy manakana ahy hiresaka ireo gasy any @ faritany , ny tiako tenenina dia izao tsara raha ilay merina soloinao Malagasy ,@ izay ireo malagasy mamaky eto hahatsiaro tena sy ho tohana na hihentsi-mpo @ tonokalo soratanao.
marina fa samy milaza izay tiany ho lazaina ao @ tononkalo fa ny anao manque de tacte na ianao mihitsy no tsy diplomate ,miala tsiny fa izay no fahitako azy ,mino aho fa olona nianatra ianao ,ary haveriko fa tsy merina ihany no mamaky ny tononkalo eto fa misy avy any @ faritany
mazotoa na izany ary

Nampiditra : rabona
01/04/2005 21:54:21

saika hadinoko ,i Andrianampoinimerina dia nihezaka hampitambatra an'ny Madagasikara "ny ranomasina no valamparihako" hoy izy , izany no hatao hoe malagasy merina manantsaina fa tsy mihezaka hampisaraka sy hampiady foko toa anao io !!

Nampiditra : Miarantsoa
02/04/2005 17:47:33

Misy marina ihany ny sasany @izay voalazanao ry Merinaforever ( ny sasany hoy aho .... ) saingy raha ny fiainana ankehitriny no asiana resaka dia hafa ihany ny firaisan- kina , sa ahoana hoy ianao ?
sady tsy haiko fa amin' izao vanin' andro Kristianina izao dia tokony tsy hisy intsony izany fanavakavahana ara- poko izany , na ara- bolon- koditra , na ara- pihaviana sns...
Tahaka ny voalazan'ny Baibolay hoe :iray ihany isika ao @ i Kristy :
tsy misy intsony na andevo na tsy andevo , na hebreo na grika , na lahy na vavy ...

Nampiditra : Miarantsoa
02/04/2005 17:59:10

Marihiko aloha fa izaho koa dia merina ry Merinaforever !
Hoy aho hoe: ny mampitombo ny hantsana efa napetraky ny vazaha (ny @ fampisarahana ny tanindrana sy ny anivon- tany ) ve no tsara sa ny mampiseho toetra mandresy lahatra ny ny foko hafa fa ny merina dia mankalaza hatrany ny firaisam- pirenena ?
Satria Mpajaka Merina no nilaza fa " ny ranomasina no valam- parihiny " Hendry loatra anie izany heviny izany e !

Nampiditra : NyKanto
03/04/2005 18:09:10

Mendrika ny ho deraina tokoa ny voalazao ry Miarantsoa...tsy misy tsara afa-tsy ny firasan-kina.Indrindra ihany koa ilay hoe firasam-pirenena miampy fifanajana.
Ny Kanto

Nampiditra : Merinaforever
04/04/2005 04:26:46

Hamaliako an'i Miarantsoa sy NyKanto dia http://www.geocities.com/merinaforever/forum1

Miala tsiny fa tsy tiako ny hameno be loatra ity sehatra eto ity izay tsy nampoiziko ho toy izao.

Nampiditra : Merinaforever
04/04/2005 04:29:38

http://www.geocities.com/merinaforever/forum1

tsy nety ilay lien teo aloha!

Nampiditra : Merinaforever
04/04/2005 04:31:52

www.geocities.com/merinaforever/forum1

Nampiditra : NyKanto
04/04/2005 15:15:26

Tsara ilay fanadihadiana sy valin-teny narosonao ... Asa ? misy tadin-tokanga tsy mety mifandray tsara satria raha takatrao tsara ny tiako nolazaina dia tsy manda ny fihaviana aho, ny maha samihafa ahy amin'ireo foko hafa ... ekeko ihany koa fa ny ezaka natao ho fampiraisam-pirenena hatrizay no vao mainka nandranitra ny adim-poko teo amin'ny samy malagasy, nefa raha tsinjonao dia tsy nisy nahomby ireny kabary politika samy hafa ireny fa nandamoka avokoa, satria tao hatrany ilay ataoko anaty farango sosona hoe " firaisam-pahendrena" ananan'ny malagasy. Rehefa tsy mety ny firaisam-pirenena fa tsy mampandroso hoy ianao, tsy aleo ary ve ny " fahendrena indray no atambatra, hampisongadina an'i Madagasikara sy hakany ny toerana tokony ho azy eo amin'ny sehatra rehetra ? ... ny firaisam-pirenena dia tsy endrim-panjanahana velively, ny zarazarao hanjakana no izany. Tsikarotro ao amin'ny valin-teninao koa anefa fa ny fifanajana amin'ireo foko izay iaraha-mahalala sy hita fa samy hafa nefa miray fahendrena no tena fototry ny fandrosoana.
Ny Kanto