Hevitra mikasika ny Aleoko maty!

19/04/2005 18:16:52
fa de nahoana ? aza maika ny ho faty , fa mbola ho lasa foana e! tsy zany no vahaolana

20/04/2005 15:33:17
Amin' ny fitsoahana ve no iheverena hahazoana fandresena ?
Sarotra be 'zany !
Sady tadidio ilay hoe Tempolin' A/tra ilay tenanao!
Mahereza

23/04/2005 06:12:28
Aleoko maty tsy aharé
reo fijaliana marobe
zay tsy ho foana eto antany
na fahotana aza zany
mino aho fa Andriamanitra
hanome ahy ny lanitra
satria aho nijaly loatra
ka hampiadana ahy any ankoatra

25/04/2005 14:31:50
Mijaly aho fa tsy mitady fahafatesana.
Ny fahafatesana koa tsy mahafoana ny faharenesana.
sao rehefa any amin'ny tanin'ny fahafatesana vao ho feno fanenenana.
Hoe tsy foana ny alahelo, tsy foana ny hakiviana.
Izaho anefa eto an-tany mbola mety hanam-pifaliana.

25/04/2005 16:00:05
eh , tsy hita izay tenenina, mampalahelo loatra , mba mijaly koa ny mpamaky e