You are here: home > Vetso

Hevitra mikasika ny Rava

Nampiditra : mamzelkely
03/08/2006 14:37:52

ountsôôô mampanaelo be le izy nefa tsara be bravo fiffi :-*

Nampiditra : Fiffi
03/08/2006 14:54:20

mamz: heu...tena mampalahelo aloha saingy ireo akia no nivoaka de tsy azo halana koh !

Nampiditra : Herimiafina
03/08/2006 15:02:22

Tsara retsy ry Fiffi an1 ary njy kay nanafi-ntalenta foana hatrizay an!

Nampiditra : vale
04/08/2006 18:17:17

mmmhhhh,tsara be lay tononkalo aky Fiffi à!!

Nampiditra : watafon
06/08/2006 13:18:56

hummm ! faly za fa mana-namana poety !

Nampiditra : vetsoko
07/08/2006 17:42:08


MANDROSOA





Mahaiza mitraka,
mahaiza milofo,
fa na mafy daka aza
ny rivo-mifofo,
tsy aha-ronjona anao
hianjera @ tany
na hikapoka mafy
ka hampitomany.
Meteza hiarina,
Ka ho tena sahy.
Hitàna ny marina
tsy hivahavaha;
Handroso mahitsy,
ho tena modely.
Handresy ny ankaso
matetim-pamely.







…Tsoa
13 sept 2004,Tolbiac Fce

Nampiditra : Fiffi
09/08/2006 05:31:22

hummmm ! misaotra anareo an! de handroso tokoa moa zany eh! hihihi

Nampiditra : cutie
31/08/2006 00:05:29

zao akia ry fiffi za vo mba tato a
hay ve njy poeta be e
fa mba asio tonokalo tsy mampa akia @ manaraka a :)

Nampiditra : pissoa
05/09/2006 22:43:06

Nahoana

Nahoana no mifidy ny hitanisa fitarainana
Handemy ny fisainana?
Na minia tsy mahalala fa matoa "izao"
Dia mety ho noho ianao?
Nahona no lazaina fa azy manontolo
Ny toetra bobongolo?
Nefa koa ianao mety manana hadisoana
Ka mba mila mifona ...

Atanjaho ny saina, dia raiso ny andraikitra
Fa aza avela hiraikitra
Ao anatinao ny hoe [i]noho izy ihany[/i]
[i]Ary izy hatrany[/i]
Raha amin'izao toa fahoriana no hita miavosa ...
Nefa ianao no osa!
Ka meteza ianao hanaiky fa tsy ny ratsy no nifafatra
Raha toa ianao ka "lafatra".

Nampiditra : pissoa
05/09/2006 22:54:04

Ooops, nasiako fanintsiana kely dia http://serasera.org/vetso/index.php?rub=vetso/vetso&vid=v44fde26222fe5

Nampiditra : Fiffi
12/09/2006 19:32:48

hummm! pisooa: zany hoe tsy zavatra nahazo ahy akory akia io fa mba nisy haigam-panahy fotsiny de nanoratra an! fa misaotra akia an!

Nampiditra : pissoa
13/09/2006 20:35:55

Fiffi, marina mihitsy ny voalazan-njy ka ... tsy izay mahazo ihany no voasoratra.

Mazotoa hatrany - Pissoa

Nampiditra : Fiffi
04/03/2007 22:59:59

misaotra de ndry koh an !

Nampiditra : wooda
31/05/2007 00:43:28

Fiffi-> za tena mitomany mamaky io tononkalonao io! snifffffffffffff
hay ve ianao tena mahay mampiakatra ilay tena tsara @na eh!

merci mille fois akia ah

bizz

soa ihany fa tsy en direct ra tsy zany efa safotra enao @ bisou