Hevitra mikasika ny Tsiky ve dia ampy ?

27/08/2008 10:59:44
MITSIKIA IHANY
Raha manetoka ny fery
Ka ny masonao mijery
Mila ho dibo-dranomaso
Noho ny sompatry ny ankaso
Raha mikombona ny molony
Fa tsy to ny famololon
Ilay fitia izay nantenaina
Ka zary rotika ny aina
Dia miezaha ianao mitsiky
Ary afeno na mikiky
Izay ratram-ponao lalina
Tsy natorianao mandrak alina
F ilay tsikinao iray iny
No hamafa ireto tsiny
Ka hamadika ho hery
Ilay tsiky saika very

30/07/2009 07:02:23
tsy misy vidiny ny tsiky, nefa saro-bidy ao am-po ny fahatsiarovana apetrany! tsy mampijaly izay manolotra azy izy, nefa toa tena mahasambatra izay mandray azy! raha sendra mba mifanena isika indray andro any, dia sitrako tokoa ny handray ny tsiky avy aminao!

05/08/2009 17:47:30
Tsy misy vidiny ny tsiky, Ary koa tsy mila tambiny
Ary azonao zaraina, Eny na ireo izay ambiny
Fa ilay tsikinao zinara, ilay sombin-tsiky iny
Dia efa hanamaivan-danja, ireo loza s’ireo tsiny
Tsy misy vidiny ny tsiky, nefa ny hafanana entiny
Dia efa ampy hampisava, ireo jaly sy ny pentiny
Fa ilay tsiky toraky ny fo, na dia fohy fiserana aza
Dia efa ampy hahafongana,ilay tezi-po mivazavaza
Tsy misy vidiny ny tsiky, nefa ny fizarana izany
Dia efa ampy hamafana, ireo potraka tomany,
Fa ilay tsiky izay nafoy, nomena tsy nilàna setriny
Dia hampivadika ilay jaly, k’ilay faly hody ventiny
Tsy misy vidiny ny tsiky, ka itambezoako anao,
Ndeha mba izarao izany, ny manodidina anao
Fa raha tsiky maromaro, no iarahana mizara
Dia mino aho fa tena ho betsaka ,ny fiainana no hihatsara