You are here: home > Vetso

Hevitra mikasika ny NY NOFINOFINAO

Nampiditra : pissoa
11/07/2009 18:14:20

Miala satroka re DadaRabe e ! Kanto dia kanto tokoa.

Nampiditra : dadarabe
11/07/2009 20:53:08

Misaotra Pissoa à
Misy diso kely eo ambony fa dia ahitsio any an-tsaina fa tsy haiko ny manova azy eto.

"Migaina" no izy fa tsy "mingaina"

DdRb

Nampiditra : dadarabe
11/07/2009 20:59:17

HItako tampoka ilay fanitsiana azy etsy ambony kay ! :-)

Nampiditra : pissoa
20/07/2009 13:57:24

Hi hi, mahafinaritra ery ny mamaky tononkalo rehefa voakajikajy hatramin'ny isan'ny vanin-teny hi hi.

Nampiditra : pissoa
20/07/2009 13:58:07

Oops, vaninteny fa tsy vanin-teny.

Nampiditra : dadarabe
20/07/2009 15:01:53

Misaotra Pissoa.
Hitako ilay interview natao ho an'ny mpanoratra malaza Pissoa tao amin'ny http://poeta.webs.com/. tsara an !
Tohizo é!

Na heverinao fa maty aza ny afon'ny fanantenana,
Fa haizina no manoloana, tsy misy mety izay atao ;
Dia aza atao mampitomany, raiso toy ny fisedrana
Mamolavola anao hatrany, ka hanovozy hery vao.

Pissoa
(Aza kivy, Desambra 2006)

Nampiditra : Zozoro
20/07/2009 17:01:15

Tena mankasitraka . Mahafinaritra tokoa.

"Raha ho nofy ihany
...moa safidy ve izany ?
Sa tsy maintsy lalana ho diavina
ary koa tsy azo lavina ?...

Nampiditra : dadarabe
20/07/2009 18:41:53

Zozoro<

Ny nofy aza hadino
fa eo no miainga
raha toa ianao ka mino
"Hanidina", "hiainga" !

DdRb

Nampiditra : Zozoro
20/07/2009 19:13:32

MISY ny TSY MISY

Soa fa misy ny Nofy
Entina manorina
ary koa anamboarana
ny tsy azo ho takarina
Eny atsefakin'ny tiana
izay rariana sy iriana
vinavina ny " misy"
Novana misy ny tsy misy
Nefa an'eritra ihany
saingy ...Nofy...nefa mamy

Nampiditra : dadarabe
20/07/2009 20:05:31

Soa fa misy nofy
manafaka ny rofy
ahafahana mioty
voninkazo fotsy
voninkazo mena
miloko fandresena

DdRb

Nampiditra : Zozoro
21/07/2009 16:20:14

Voninkazo fotsy
Voninkazo mena
Miloko fandresena
...ao anaty nofinofy...
Soa fa nisy ianao ry Nofy
anatinao dia mpandresy
satria ianao tsy misy fefy...
fa malalaka migodana
na ny voagadra ampaotana
na ny mody faly anefa ory
tsy mba nolavinao akory
fa hafaka manonofy
izay mba tiana ho rotsirotsy
Ao izy manantanteraka
izay rehetra tsy tanteraka
na ireo irina ho tanteraka
Na minitra iray aza
dia hasambarana sahaza
ao anaty nofy
...Nofy ihany moa ka nofy...

Nefa nofy mamy miavosa...

Nampiditra : dadarabe
21/07/2009 17:53:51

Nofy mamy miavosa
tsy mividy, tsy mitrosa
Fa dia manana avy hatrany
Tena fatratra an'izany !

Nefa kosa misy fetra
Fa ny zavatra rehetra
Dia asiana farany ihany
Ndrao izany hampitomany

Fa na tsara aza ny nofy
Raha be loatra ho farofy
Ka ilaina ny mifoha
sy mijoro ndrematoa !

DdRb