You are here: home > Vetso

Hevitra mikasika ny Iza le sipa

Nampiditra : raozigasy
18/01/2012 22:21:56

Ireo ny sipan’ny serasera, raha vao misy revy tsy mba mitavera
Ireo ny sipan’ny tafatafa, raha vao mifampiantso dia tsy mba mihafa
Ireo ny sipan’ny taritarika, tsy mpijanona an-trano toa voan’ny barika
Ireo ny sipan’ny facebook, tsy mety mangina fa vavam-boloky

Ireo ny sipa mpanisy ambiance, mihira, misotro, mikaly midance
Ireo ny sipa mpizara hafaliana, sy mpanaparitaka izay mahaliana
Ireo ny sipa mifanohana hatrany, fa tsy misy mahavita tena eto an-tany
Ireo ny sipa tena akama, mitantana hatrany amin’ny lala-malama

Ireo ny sipa milay ry zalahy, na dia misy fihetsika mody mivaha
Ireo ny sipa tena favori, misy ny ngoda, misy ny mahia
Ireo ny sipa eram-bazatany, ny sasany avy eto , ny sasany avy any
Ireo ny sipa, sy namana bonne, mifampitantara kozy amin’ny tonne

Ireo ny sipa : santionany ihany, amin’ireo bobaka be eto an-tany
Ireo ny sipa : tena mahatoky, na dia be haniany sy be lokiloky
Ireo ny sipa : tsy mba mahasaraka, raha vao misy antso dia indreo mifanaraka
Ireo le sipa, tena ireo, ilay karazan-tsipa nolazaiko anareo

Nampiditra : fahamarinana
19/01/2012 10:32:26

Ouh !!!!!! Tena tiako be kosa na ny an'i Hery na ny an'i Raozigasy kouh! Tena ireny sipa ireny marina ireo ka, hihihi, zareo reo , ry akama bonnes ny serasera-facebook ! :D

Nampiditra : ni81
19/01/2012 12:12:51

Tarik'ikalamako ireo fa tsy taitra tsy maika ry Faha a!

Nampiditra : kiriah
19/01/2012 20:35:49

De tsy haiko Rahery fa zah nge tsy tany , na de mba naniry ny hahita an izany,
tantara fotsiny no hany mba henoko , ka tsy hitako lotra izay ho teneniko,
ny azoko ambara : matoa izy tao, de tsy olon-kafa fa ekipanao
ireny ra hirevy tsy mila miera , troupe solide ao amin ny serasera

Nampiditra : ikalamako
19/01/2012 21:46:33

mouhahahahahahahahaha

hangina aho ka tsy hiloa-bava intsony fa any zany e !!!!!!

Nampiditra : fahamarinana
23/01/2012 19:58:55

Kiriah: Troupe solida zay mihintsy anaranjareo reo ! Soa koa ilay voalaza an :)
Ikalamako: Aleo koa indry hangina fa be izay efa vita zay!

Nampiditra : ikalamako
23/01/2012 20:09:20

hahahahaha eka ouzzzz

Nampiditra : fahamarinana
23/01/2012 20:10:00

hahahaha

Nampiditra : hery
24/01/2012 11:07:51

kiriah> Reveko le ainga :-p

Nampiditra : kiriah
24/01/2012 12:53:43

oka marina e! , zah ary tapaka mintsy namaky an io tonokalonao io .

Nampiditra : spicatantely
06/02/2012 09:20:46

aon ko ar io e!

Nampiditra : Laaris
06/07/2012 12:09:12

D oz tsiliva oe iza l band.mak ts miera.
D nvalin Raozigasy oe ts band fa sipan serasera
D mbolanis nanamp oe equipe solide
L ato@serasera kay tena mietude



Nampiditra : Malalason
21/01/2013 17:39:16

slt dhl! nga tsy misy na dia sombintsombin-tsary aza hita tao am'le fihaonana mba haseho iaraha-mitazana sy hifaliana eto fa toa resaka mampilendalenda fotsiny izy izany ....................le manao pompy, le sipa favori, misy nôda, misy mahia etsetra....

Nampiditra : tsila
25/04/2013 06:57:06

Izahay lavi-tany tsy mana-kambara
Mihaino mangian itony tantara
Ny tokana marina tsy azo lavina
Hafaliana no tao fa tsy nahatsiravina

Nampiditra : mangidy
29/05/2013 16:24:26

Hummm reo wa le sipa nipetraka tary de tonga aty hihi

Nampiditra : todisoasux
31/01/2014 08:12:12

Norme lay izy kah!

Nampiditra : Malalason
24/05/2014 07:47:47

Iza ary le sipa tsy voatonona eo ra fantatrareo? valiny...

Nampiditra : SederaMioty
03/09/2018 18:10:45

tsara le iz ka