Ny lalam-piainana... (kanto sarobidy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
misy fo iray tomany,foana mitaraina
miaritra ny jaly izay mandrotika ny saina
misy fo koa malahelo,mandrotsaka tomany
mitaraina hatrany noho NY hetraki'ny tany

misy saina iray manjohy,tsy mety manadino
ny zavatra niainany, ka nivadim-po tsy nino
misy saina koa tsy laitra,mikiry ny ho tiana
na efa ka nilaozan'ito olom-panirina

misy kosa ny fanahy,mahay mamela heloka
mahalala tsara ireo tomany sy ny setroka
koa raha tezitra ny FO ,sahirana ny saina
dia fanahy no fahendrena,fitaovan'enti-miaina..
--------
Lien:
Catégorie : fiainana - Aingam-panahy
1030 1
Fans: kanto01
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144