Valim-babena (Mia)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada malako sy Neniko izayDia fola-damosina ery taminay
I Neny no nitaiza, nibaby, nanasa
I Dada isan'andro torovana miasa
Izaho no tomady sy tena salama
I Dada no vizana be nikarama
Izaho no olom-banona
Sady hendry tsara
I Neny no sasatra nikarakara
Mba inona kosa no havaliko ireny
Fitiavan-tsy ritran'ny Dada sy Neny
Manaraka tsara izay anatra omeny
Dia mivavaka ho Azy no valim-babena
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
injariavyeulalie
Hevitra mandeha
nikopol
(
30/07/2007 13:00)
pffff
tsy mia zany no mpanoratra anio
tsy mia zany no mpanoratra anio
hmilay
(
06/08/2007 08:05)
ka ts haiko ny nanoratra fa za nge lz mia nampiditra an'io hein!