Rova ankehitriny (Zavanah)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rova ankehitriny (4 marsa 2004)

Aiza moa ny Gasy no hitraka,
Ny mijery eny ambony eny izao mandratra
Aleony miondrika na dia be manaiky lava
Fa i Manjakamiadana ilay trano avo indrindra efa rava


Ontsa ny fo, torotoro
Fa rindrim-bato telo no sisa mijoro
Ô ry Rova ilay reharehanay fahiny
Indrisy fa tanàna haolo ankehitriny


Tanala very sampy ka mila manova,
Ilay Rova efa rava tsy hita ho lova
Ry taranaka mandimby, aza manana ahiahy
Fantaro ny tantara hanabeazanao Fanahy.
--------
Lien:
2456 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Zavanah
Inséré par : ysag
Date : 11/03/2004 08:24
Lectures
Lu par
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132