You are here: home > Vetso

Alin'nofy ! - antsa tononkalo.R

Alin'nofy,

Misoko moramora ny torimason'alina
manoroka ahy mangina anatin'ny hari-tory
mandifotra impito anaty nofy lalina
hihaonako aminao ka tsy tohitro akory !

Fa ny nofy misy anao dia velona sy miaina,
mody toy ny atoandro,ny ali-maizim-bolana
Ary ny andro tsisy anao, maizina maraina,
Tsy ahita-mitsinjo ny mitatao vovonana.

Ny masoko mijery, mihiratra fa jamba,
Sasatra mandalina tontolo zava-poana !
na manga tanora ,iny lanitra iny angamba ?
mitovy tsisy valaka amin'ny alina fisaona.

Fa ny masoko mikimpy, no mahita anao kokoa,
anatin'ny alim-potsy ny endrikao mazava ;
ary ny androko rehetra dia alina avokoa !
raha tsy mahita anao, hazin-tsy misava.

Mihalefy moramora, ny torimaso lalina
ny hetaheta-poko tsy vita ho tantaraina
mandositra ahy, ianao anaty sasakalina !
Mihamaizina ny eto,kanefa hadiva haraina.

Antsa Tononkalo.R 26/11/17

Hametraka hevitra

Midira aloha