Nampiditra : antsa tononkalo.R
Daty : 29/01/2016 20:19
Nijery : 6403
Tononkalo: 56 Jereo eto
Mankafy : 3 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Antsa tononkalo.R

Biographie par Riankanto

Rasahobiarinjaka Antsa no tena anarany, ny masony
mitory fahatsorana ary ny feony manambara falefahana. I Antsa
fantatro dia olon’ny serasera ; mahay mifandray aman’ny
sokajin-taona rehetra. Be vazivazy fa matotra ; hentitra fanao
zavatra kanefa be fiahiana sy fangorahana tokoa.
Tamin’ny fifampikasohana akaiky taminy no nahafantarako fa
teraka tao anatiny i Antsa Tononkalo.R ny taona 2015. Ity
farany izay tsy iza fa silany am-panahy ; mandinika,
mamakafaka ; manao tsoa-kevitra ary mandrakitra izany antsoratra. Raha atao amin’ny teny hafa dia ilay fanahy mianjoria
maha poeta.
Antsa Tononkalo. R : poetan’ny fitia aloha ho
fiantomboham-panoratana ny antony, tsy vitsy amin’ny ireo
tononkalo nosoratany no mihira ny fitiavana amin’ny endriny
rehetra. Tafapaka amina tara-kevitra hafa koa anefa ny fanahiny.
Miventy ny embona izy ; mikalo ny fiainana sy mifanindrandalana amin’izany ny fahafatesana mampangorakoraka ary ny
hafa koa.
Antsa Tononkalo.R mivoy ny romantisme tahaka anndry Lamartine, De Musset, Samuel Ratany sy ny maro hafa.
Tsy naha sodoka azy ny raozy maintin’ Mallarmé na ny kintana
volom-parasin’i Supervielle. Ny antony angaha hoy aho dia ny
fananany toem-panahy feno fahalemena ka mora mandre ny
fibitsiky ny rivotry ny takariva sy ny antsan’ny natiora
manodidina azy.
I) Antsa Tononkalo.R sy ny poezia :
Tsy irony mpanao tefy maika fatra-pitady horakoraka sy tehaka
irony ; na iray lasitra amin’ireo mpanandrakandrana fotsiny fa
ilay milofika, mandany mondron-kery mikatsaka ny “izy”.

Azo inoana fa manana fironan-tsiana nitady ny tena poezia ny
lehilahy, ary hitany izany. Hoy indrindra izy, takila 54 manao
hoe :
« Fa ny tena tononkira, fa ny tena tononkalo
Dia narafitra fanahy ho renesin’ny fanahy »

II) Antsa tononkalo miventy ny fitiavana tahaka ireo
mpanoratra tanora rehetra, manana anjara amin’ny fikaloana ny fitiavana.
Fitiavana izay tsy mahalala ranomaso, fa na eo
am-piandohana na ao anatin’ny famirapiratany tanteraka.
Izany dia asehony amin’ny tononkalo mirindra dia mirindra,
mingandona fiantefa nefa kosa mambomba hafatra mafonja.
Raisintsika ohatra ny « Tsy mbola mety tiako » « Ny ahy ny
tena tiako » sy ny « Hianao no mahalala » dia anisany
miavaka sy mambabo fo tokoa.
III) Ny embona sy tsiahy ary i Antsa tononkalo : anisan’ireny
olona manana fahatsiarovana mafonja ireny ny tovolahy. Raha
tsy hiresaka afa tsy ny lohateny nampitondrainy ny boky isika :
« Malala Fahizay ». Midika zavatra lehibe izany, Embona fitia
angamba ? Hoy ny voasoratra ao amin’ny takila 45
« Namakivaky ny tantarantsika aho rahavako
Dia novakivakian’ny embona koa. »
Manambara izany fa mampangorakoraka ny fony tokoa ny
tsiahy miserana ny eritreriny ka voasorany.
IV) Antsa Tononkalo.R, tara-kevitra ny fiainana sy ny
fahafatesana:
Hatao ampara filaza, kanefa taratra ao amin’ny sorany koa
ireo. Fiainana ? Iza tamintsika no tsy efa nanontany ny dikany
tokoa ? Manana ny famaritana an’izany koa ny mpanoratra ao
amin’ny « Fa fiainana izany. »
85
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/antsa-tononkalo.r
Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0317