You are here: home > Vetso

ka ho antsa sa ho hira... - Antsa tononkalo.R

Manan-kambara va ianao,
amin'izato takariva, ry fanahy manirery
manan-kambara va ny foko, ô ry foko toa madiva... Amin'izato haizim-pito sy ny alina mahavery
ka ho antsa sa ho hira, amim-peo miritsok'iva
no hoforonintsika ho azy, tononkira manahoana
no hitsimoka eto anio, amin'aizana mahory ?
velovelon-tononkira ? Izato alina misaona
tsy ho tsiky na ho hehy horenesinao akory !

Ry fanahy manirery, ô ry foko izay madiva...
Na ny alina mangina na izato takariva
tsisy monina eto akory, mbola hanam-piafarana!

Fa ho avy ny andro tsara, hifalian'ny fo sy saina
Hamoronantsika hira, tononkiram-piderana
hiara-hitsimoka amin'ny andro sy ny taratra maraina


Chorus ny Antsa 24/02/2019

Hametraka hevitra

Midira aloha