Lasa (Bob Ramanamiravaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity misy tononkalo hafahafa
Izay hanembonako ny lasa
Dia ny zavatra nihatra omaly
Izay tsy misy mahafalifaly



Ao ireo andro mampahory
Izay andro hisian'ny sorisory
Nefa ao koa ireo andro mahafaly
Ifampizarantsika ny fitia mifamaly




Raha ny fiainana eto an-tany
Tsy maintsy hianjadian'ny tomany
Fa satria vitsy ihany ny sambatra
Ka tsy tokony hifandramatra



Ny fahantrana efa lalim-paka
Izay efa manomboka mahazo laka
Ka mila fanasitranam-panafody
Mba tsy hahatonga azy ho varo-tsy mifody .






Bob Ramanamiravaka
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
1135 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bob Ramanamiravaka
Nampiditra : bobramanamiravaka
Daty : 10/02/2016 23:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144