Hanatra (Bob Ramanamiravaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro ny olona voafidy
Izay tokony ho tadidy
Ny zavatra ata any am-pianarana
No antoka hahatonga ny fahasambarana


Ny zavatra hianarana hampidirina ao an-tsaina
No lalana izorana sy atao tohan'aina
Ary tohizana foana mandrakariva
Mba hampisondrotana ny masoandro efa iva



Ny zavatra tadidy no aoka hampiray
Mba ho reharehan'ny fianakavianay
Io no zavatra entina manova ny saina
Mba ho mpianatra mazoto fa tsy malaina



Ny fiainana no hampisy fanantenana
Ka hampitsiry ny fahalalana
Izy ihany koa no hampaery ny finoana
Fa indrindra moa fa isika izay nantsoina .




Bob. Ramanamiravaka
--------
Rohy:
1114 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bob Ramanamiravaka
Nampiditra : bobramanamiravaka
Daty : 04/04/2016 17:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143