You are here: home > Vetso

ALEOKO TSY MANANA - Fredy Jaofera




ALEOKO TSY MANANA





Aleoko tsy manana
toy izay manan-dratsy
fa soa ny fiadanana,
na ho tsy ampy vatsy.




Aleoko tsy manana
toy izay manan-doza :
sarotra ihavanana
fa lazainy ho kitoza...




Aleoko tsy manana
toy izay manam-biby
fa dia nosakanana
'reo lova hifandimby.




Aleoko tsy manana
toy izay manan-tsilo,
izay no amaranana
fa ny aty izao malilo.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha