You are here: home > Vetso

AMIKO NY RENY... - Fredy Jaofera


AMIKO NY RENY...




Amiko ny reny dia tokana aman-tany,
azoko antenaina rehefa ory mitomany ;
amiko ny reny dia andry tena andry,
azoko itodihana rehefa tsy tafandry ;
amiko ny reny dia tsy azoko atakalo,
azoko itarainana rehefa tsy mikalo ;
amiko ny reny dia miaritra ny mafy,
azoko itokiana raha rivotra mifafy ;
amiko ny reny dia tsy voavidy vola,
azoko idongiana rehefa mila angola ;
amiko ny reny dia reny...Tena reny !
Tsy azoko anafenana...Asa ra' ekeny ?




Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha